Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
Radorateur
12 juillet 2013

Paroles Radorateur (tonon-kira Radorateur)

HIVERINA INDRAY

 

Hiverina aho fa tsy hanitsakitsaka ny fitiavanao!

Hiverina aho, tsy hanao tsinontsinona ny fitiavanao aho Jesosy ô!

Mifona sy mivalo, mandohalika eto anatrehanao aho!

Avelao aho raha sitrakao hiverina indray eto Aminao!

         Tsy mety amiko intsony ilay tsy eo anilanao!

         Misavoritaka avokoa izay rehetra atao, hiverina aho.

Tsy hanalavitra Anao intsony aho,

tsy hanao izay mampalahelo Anao intsony anie aho e!

fa hanakaiky Anao hatrany hatrany!

Avelao aho raha sitrakao hiverina indray eto aminao!

Hiverina aho fa eto anilanao ihany no fiadanako!

Hiverina aho, tsy misy afa tsy Hianao anie no fananako!

Mifona sy mivalo, mandohalika eto anatrehanao aho!

Avelao aho raha sitrakao hiverina indray eto Aminao!

Tsy hanalavitra Anao intsony aho,

tsy hanao izay mampalahelo Anao intsony anie aho e!

fa hanakaiky Anao hatrany hatrany!

Avelao aho raha sitrakao hiverina indray eto aminao!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C : RADORATEUR)

 

954708_4473799901962_1888276604_n

 

TONGA HIVAVAKA

 

Tonga hivavaka eto anatrehanao aho,

Hiantsoantso ny Anaranao, manatreha anay Andriamanitra ô!

Tonga hivavaka eto anatrehanao aho,

Hiantsoantso ny Anaranao, mamenoa anay Fanahy Masina ô!

Tonga hivavaka eto anatrehanao aho,

Hiantsoantso ny Anaranao, manatreha anay Jesosy Tompo ô!

 

Fa tonga hivavaka aho! Hivavaka Aminao! Hitady Anao.

 

REFRAIN

Ateriko eto anatrehanao ireo fahotako!

Mibebaka  aho eto anatrehanao noho ireo hadalako!

Fa zaza maditra aho hatrizay,

Nefa navotanao indray, dia tonga hisaotra Anao ry Ray!

Hitady Anao! Oun! Oun! Hitady Anao!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

994516_4473969386199_1417392974_n

HITADY ANAO

 

… …..Ray ! Inty ilay adalanao, hiverina eto indray hitady Anao! Hitady Anao!

 

Tiako harehitra eto indray ‘lay afom-pitiavako Anao!

Tiako harehitre eto indray ‘lay fiarahako Aminao!

Hohadinoiko ny efa vitako hatrizay!

         Tiako harehitra eto indray ‘lay afom-pitiavako Anao!1004008_4473968786184_1818467907_n

Tiako harehitre eto indray ‘lay fiarahako Aminao!

Hanarenako ny lasako hatrizay hatrizay!

 

Ray ! Inty ilay adalanao, hiverina eto indray hitady Anao!

Ray ! Inty ilay adalanao, hivavaka eto indray hitady Anao!

Zay ‘fa nangatsiaka hatramin’izay, fa hangotraka indray!

Zay efa nianjera hatramin’izay, fa hitsangana indray!

Zay efa very hatramin’izay, fa hiverina indray!

Hitady Anao! Oun oun! Hitady Anao!

 

Tiako havaozina eto indray lay fiarahako Aminao!

 

Tiako havaozina eto indray ‘lay fanoloran-tenako ho Anao

Hohadinoiko ny efa vitako hatrizay!

 

Tiako havaozina eto indray lay fiarahako Aminao!

Tiako havaozina eto indray ‘lay fanoloran-tenako ho Anao

Hanarenako ny lasako hatrizay hatrizay!

 

 

Ray ! Inty ilay adalanao, hiverina eto indray hitady Anao!

Ray ! Inty ilay adalanao, hivavaka eto indray hitady Anao!

Zay ‘fa nangatsiaka hatramin’izay, fa hangotraka indray!

Zay efa nianjera hatramin’izay, fa hitsangana indray!

Zay efa very hatramin’izay, fa hiverina indray!

Hitady Anao! Oun oun! Hitady Anao!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)1005314_4473802182019_926145529_n

 

 

 

HIANTSOANTSO ANAO

 

Firy taona lasa izay no niantsoana anao mba hivavaka!

Tsy mbola kivy (aho) hatramin’izao!

Fa tonga eto indray hiantsoantso anao!

 

 

 

                 Firy taona lasa izay no niantsoana anao mba hibebaka!

                 Tsy mbola kivy (aho) hatramin’izao!

                 Fa tonga eto indray hiantsoantso anao!

 

 

 

 

 

Raha mbola velona ianao dia mbola misy azo antenaina ihany!

Anjaranao no misafidy (hoe) : hoaiza moa ianao raha hiala ety an-tany?

Ny anjaranay dia miantso foana! Mivavaka hoanao mba hiverina!

               Manararaotra  faramparany, sao ho lasa tampoka any ka hanenina!

 

Firy taona lasa izay no nilazana anao fa miandry anao Jesoa!

Tsy mbola kivy (aho) hatramin’izao!

Fa tonga eto indray hiantsoantso anao!

 

 

              Firy taona lasa izay no nilazana anao fa hoavy I Jesoa!

              Tsy mbola kivy (aho) hatramin’izao!

              Fa tonga eto indray hiantsoantso anao!

 

 

Raha mbola velona ianao dia mbola misy azo antenaina ihany!

Anjaranao no misafidy (hoe) : hoaiza moa ianao raha hiala ety an-tany?

Ny anjaranay dia miantso foana! Mivavaka hoanao mba hiverina!

               Manararaotra  faramparany, sao ho lasa tampoka any ka hanenina!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

 

 

 

37205_1309085706085_2723869_n

Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray //  nanana zanaka mirahalahy.// 12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy:// Raiko, omeo ahy ny anjara-lovako tokony ho ahy.//  Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. //

  13 Ary nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy,// dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany izy.//

 14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy.

15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany,//  ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.//16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.//

17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy! Maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! //18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe://  Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho19 ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.

20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. // Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, //  dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.// 21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: //  Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.// 22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy;// ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;// 23 ary ento aty ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.

 

HIVERINA AMINAO (Zanaka adala)

Nirenireny toy ny adala aho raha nandao anao Ray ô!

Fa ninia tsy te hahalala, lay Fiadanana teo aminao!

 

Fafinaretana mandalo ihany no mba hitako Ray ô!

Ny teo an-tànako aza lany iihany noho ny ditrako, raha nandao Anao aho!

 

REFRAIN

Ray ô! Inty ‘lay zanakao fa tapa-kevitra aho hiverina eto aminao!

Ray ô! Tsy mendrika intsony ny hoe zanakao, mifona re!

Mba raiso ho mpanomponao!

Nanenina mafy aho tamin’ny zava-bitako, HIVERINA AMINAO!

 

 

Azoko sary an-tsaina foana e! ireo anatranatrao taloha!

Hoe: izao fiainana izao sy ny filàny, mandalo ihany, tsy ahitana voka-tsoa!

 

Ranomaso isan’andro no mba fiainako Ray ô!

Malotoloto akanjo aho, ka mandatsa ahy zay mba hitarainako!

 

REFRAIN

Ray ô! Inty ‘lay zanakao fa tapa-kevitra aho hiverina eto aminao!

Ray ô! Tsy mendrika intsony ny hoe zanakao, mifona re!

Mba raiso ho mpanomponao!

Nanenina mafy aho tamin’ny zava-bitako, HIVERINA AMINAO!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

217308_4268445968242_395090721_n

 

 

FAFAO NY RANOMASO

 

Hatramin’izay nivavahanao izay dia ;

tsy lavitra fa fianakaviana ihany,

No mitsangana ho fahavalo, mpanenjika anao !401773_4268445648234_1389289717_n(1)

 

Hatramin’izay nanarahanao an’Ahy izay ;

tsy lavitra f’ireo nitaiza anao ihany

No mitsangana ho fahavalo, mpanenjika anao !

 

Hatramin’izay nanompoanao an’Ahy izay ;

tsy lavitra fa ny mpiraitampo ihany,

No mitsangana ho fahavalo, mpanenjika anao !

 

REFRAIN

Tsy tonga hampiavana Aho,

Fa hitondra sabatra Aho hampifandrafy ny ray sy ny zanaka e!

Aza mitomany ianao!

Fafao ny ranomaso f’Izaho tsy mahafoy anao na iza handao anao!

Atolory Ahy ny adinao!

Fa na zovy no mijoro ho Ahy ohatranao izao, tsy maintsy mandresy!

Hatramin’izay nivavahanao izay dia;

Miatrik’ady isan’andro isan’andro ianao!382566_4473968946188_1867416011_n

Ny eo tsy efanao, ny hafa mbola tonga ihany!

 

Hatramin’izay nanarahanao an’Ahy izay!

Niatrika olana foana ianao!

Ny eo tsy vitanao, ny hafa mbola misosoka ihany!

 

Hatramin’izay nanompoanao an’Ahy izay!

Dia bongomason-tomany ianao!

Mitaraina foana, miantsoantso ny anarako!

REFRAIN

Mbola ety an-tany ianao,

Efa voasoratra fa tsy maintsy handalo fitsapana be dia be!

 

Aza mitomany ianao,

Fafao ny ranomaso f’Izaho tsy mahafoy anao n’iza handao anao!

 

Atolory Ahy ny adinao,

Fa na zovy mijoro ho Ahy ohatranao izao tsy maintsy mandresy!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

68116_1309085066069_5322752_n

MBA HO ENTO AHO!

 

Ô! Mba ho ento aho anio Fanahy Masina ô!

Ento hanatona sy hanatrika an’Andriamanitra!

                                                                                                                         

             Ô! Mba ho ento aho anio Fanahy Masina ô!

             Mba ho ento hiverina, hivavaka sy handray an’I Jesosy!

 

Fa Ianao anie no afaka hanokatra ny làlako,

Mba hiverenako, hamaly ny antsonao!

Hoe tsy tonga Ianao hiantso sy hitady ny olo-marina!

Fa tonga kosa Ianao, mba ho ahy mpanota izao!

 

Ka mba ho ento re! Mba ho ento aho anio Fanahy Masina ô!

Fa tapa-kevitra aho hiala amin’ireo ratsy fanao!

Fa tapa-kevitra aho hiverina hanao izay marina!

Ankasitrahanao!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

581652_4473800181969_27479076_n

 

TAPA-KEVITRA AHO!

 

Manaiky anao ho Andriamanitro aho jesosy ô!

Eto anatrehan’ny tany sy ny lanitra!

Ka na ho sarotra ny dia,

Tsy hivadika ny aty!

Fa manaiky Anao! Manaiky anao!

Mandrakizay (2x)! Jesosy ô!

 

Tapa-kevitra aho Jesoa fa hanaraka Anao e!

Ka tsy hiovaova intsony anie aho!

Mandra-piverenanao!

Tapa-kevitra aho Jesoa fa hivavaka amin’izay e!

Ka tsy hiovaova intsony anie aho!

Mandra-piverenanao!996503_4473968826185_1479882550_n

 

Manaiky Ana oho Tompo sy Mpamonjy aho Jesosy ô!

Eto anatrehanao tsy miolakolaka!

Ka n’aiza n’aiza halehako!

Ianao no reharehako!

Fa mahatoky Anao! Mahatoky anao!

Mandrakizay (2x)! Jesosy ô!

 

 

Tapa-kevitra aho Jesoa fa hanaraka Anao e!

Ka tsy hiovaova intsony anie aho!

1069220_4473802982039_290651147_n

Mandra-piverenanao!

Tapa-kevitra aho Jesoa fa hivavaka amin’izay e!

Ka tsy hiovaova intsony anie aho!

Mandra-piverenanao!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

 

 

 

MBOLA VARIANA

 

Andro maromaro no tsy niantsoako Anao!

Mbola variana tamin’ny fitadiavako aho!

Dia nanadino Anao, tsy nahatsiaro Anao aho!

 

         Taona maromaro no tsy nivavahako!

         Variana tamin’ny asa aman-raharahako aho!

         Dia nanadino Anao, tsy nahatsiaro Anao aho!

 

Isan’andro aho mahita fialàna foana,

(Dia) lazaiko fa tsy misy fotoana aho!

 

                   Ankehitriny e! zay vao tonga saina ity zanakao,

                   Fa tsy nisy nety avokoa izay rehetra mba natao!

                   Aza omena tsiny e! raha hifona eto anatrehanao,

                   Fa tapi-dàlan-kaleha vao nahatsiaro Anao aho!

                            Fa toa fara-safidy no nieverako Anao,

                            Mifona re! ry Tompo Ray Tsitoha!

                            Aza tezerana aho, mba amindrao fo.

 

Andro maromaro no tsy niantsoako Anao!994499_4473799461951_59717119_n

Mbola variana, variana nilalao aho!

Dia nanadino Anao, tsy nahatsiaro Anao aho!

 

         Taona maromaro no tsy nivavahako!

         Mbola variana tamin’ny fianarako aho!

         Dia nanadino Anao, tsy nahatsiaro Anao aho!

 

Isan’andro aho mahita fialàna foana,

(Dia) lazaiko fa tsy misy fotoana aho!

 

Ankehitriny e! zay vao tonga saina ity zanakao,

                   Fa tsy nisy nety avokoa izay rehetra mba natao!

                   Aza omena tsiny e! raha hifona eto anatrehanao,

                   Fa tapi-dàlan-kaleha vao nahatsiaro Anao aho!

                            Fa toa fara-safidy no nieverako Anao,

                            Mifona re! ry Tompo Ray Tsitoha!

                            Aza tezerana aho, mba amindrao fo.

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

 

HIDERA NY TOMPO

Andao isika hidera an’I Jesoa !

hidera ny Tompo amin’ny fifaliana!

Andao isika hidera an’I Jesoa !

hidera ny Tompo amin’ny hira fihobiana!33925_1309090826213_6265078_n

 

 

Andao isika handihy hoan’I Jesoa!

Handihy hoan’ny Tompo amin’ny fifaliana!

Andao isika handihy hoan’I Jesoa!

Handihy hoan’ny Tompo amin’ny hira fihobiana!

 

 

Aza mihafahafa! Aza menamenatra hidera an’I Jesoa!

Aza mihafahafa! Aza menamenatra handihy hoan’I Jesoa!

F’isika sy ianao izao (no) mbola velon’aina!

(dia) natao hidera Azy e!

 

 

Andao isika hitady an’I Jesoa !

hitady an’ny Tompo amin’ny fifaliana!

Andao isika hitady an’I Jesoa !

 hitady an’ny Tompo amin’ny hira fihobiana!

 

Andao isika hitsena an’I Jesoa!

Hitsena ny Tompo amin’ny fifaliana!

Andao isika hitsena an’I Jesoa!

 Hitsena ny Tompo amin’ny hira fihobiana!

 

 

Aza mihafahafa! Aza menamenatra hitady an’I Jesoa!

Aza mihafahafa! Aza menamenatra hitsena hoan’I Jesoa!

F’isika sy ianao izao (no) mbola velon’aina!

(dia) natao hitsena Azy e!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

263372_4268447128271_73110920_n

 

 

ILAY FAHAZAVANA

 

Isa-maraina vao mifoha aho !

Raha vao mamoha varavaran-kely,

Ka mahita indray ilay tara-pahazavana,

Dia mahatsiaro Anao Jesosy!

 

                REFRAIN

 

   Fa Ianao Jesoa,  Ilay Fahazavana!

   Manazava ny androm-piainako isan’andro!

   Fa Ianao Jesoa,  Ilay Fahazavana!

   Manazava izay halehako isan’andro!

 

Isan-kariva mody masoandro aho!

Raha mba mitazatazana,

Ka mahita ilay diavolana mazava

Dia mahatsiaro Anao Jesosy!

 

                REFRAIN

 

   Fa Ianao Jesoa,  Ilay Fahazavana!

   Manazava ny androm-piainako isan’andro!

   Fa Ianao Jesoa,  Ilay Fahazavana!

   Manazava izay halehako isan’andro!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

37936_1309093826288_4129379_n

INTY AHO JESOA

Inty aho Jesoa !

velona indray aho mba hidera Anao!  hidera Anao ! (2X).

Inty aho Jesoa!

Hitsangana indray aho mba hidera Anao! Hidera Anao! (2X).

 

REFRAIN

 

Fa ho an’iza moa? Ho an’iza moa!

‘Zao fahavelomako izao?  Fahavelomako izao!

Fa ho Anao aloha! … ho Anao aloha! Jesosy ô!

Fa mba ho aiza moa?  Ho aiza moa!

Izao tenako izao!  ‘zao Tenako izao!

F’ao Aminao e! no misy ny fiainana….. mandrakizay!

 Inty aho Jesoa!

Hivavaka eto indray aho mba hidera Anao! Hidera Anao! (2X)

Inty aho Jesoa!

Hiverina eto indray aho mba hidera Anao! Hidera Anao! (2X)

                REFRAIN

Fa ho an’iza moa? Ho an’iza moa!

‘Zao fahavelomako izao?  Fahavelomako izao!

Fa ho Anao aloha! … ho Anao aloha! Jesosy ô!

Fa mba ho aiza moa?  Ho aiza moa!

Izao tenako izao!  ‘zao Tenako izao!

F’ao Aminao e! no misy ny fiainana….. mandrakizay!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

66310_1309089946191_7886929_n

 

MY LIFE

 

God is my life, He’s my Father !

My only best  teacher, for all my life!

 

Jesus is my life, He’s my Father !

My only best  teacher, for all my life!

 

Let me sing for you (2X)!

Jesus is the way, to go to the sky!

71594_1309091586232_1693542_n

 

Jésus est ma vie! Dieu est mon père,

Mon seul unique encadreur !

Pour  toute ma vie !

 Tiako Ianao Andriamanitra Raiko ô !

Ianao ilay mpitantana ny fiainako

 

Let me sing for you (2X)!

Jesus is the way, to go to the sky!

               

                                               My life is Jesus! Jesus is my life!

                            Ma vie est  Jésus! Jésus est ma vie!

                            Fiainako Jesosy ô ! Jesosy  no fiainako !

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

 

 

71840_1309090146196_456113_n

 

NY FITIAVANAO

 

Ekeko, tsy ho laviko

NyfitantananaoJesosy ô!

Iankinan’ny ho aviko,

NyfitiavanaoJesosy ô!

 

Azokoantokafa (2X) eoaminaoihany,

No hahitakoizayrehetrailaikoisan’androisan’andro,

FaAnaoavokoa e! izaorehetraizao!

ZANDRIN'I KRISTY ( A/C / RADORATEUR)

 

 

945367_4268446288250_1016146986_n

 

AUTO-COMPOSITEUR : Rado H. (Radorateur)

Tsy azo adika. (copie interdite)

 

Publicité
Publicité
Commentaires
Radorateur
Publicité
Archives
Publicité